Concrétisation des droits humains et Solidarité

TARATASY MISOKATRA HO AN’NY SOLOMBAVAMBAHOAKAN’I MADAGASIKARA

TSY AZO EKENA NY FANAOVANA SORONA NY ZON’IREO VAHOAKA MANOHITRA NY TETIKASA MAMPIDIDOZA VARA MADA SY NY FIANDRIANAM-PIRENENA MBA HAMALIANA NY FILAN’NY MPITONDRA AMERIKANA

Hatramin’ny nandraisan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’ny Madagasikara (PRRM) ny fitondrana dia tsy mitsahatra maneho ny fandavany marin-drano ny fitrandrahana ilmenite, rutile, zircon ary monazite izay kasain’ny ny orinasa amerikana Energy Fuels Inc. hatao ao amin’ny tetikasa Vara Mada ireo vahoaka voakasika, izay tonga nihaona tamin’ny PRRM teny an-dapan’Iavoloha mihitsy tamin’ny 15 Desambra 2025 namerina ny fitakiany ny fanajanonana io tetikasa io. Vao hita koa ireo vahoaka nilanja sora-baventy maro mitaky an’izany tamin’ny dian’ny PRRM tany Toliara tamin’ny 17 aprily 2026 teo. Ary tsy vitan’izany ihany, fa tamin’ny 18 aprily 2026 ny PRRM dia namangy fahoriana ny fianakavian’Itompokolahy Benefice izay maty voatifitry ny zandary teo am-panoherana ny tetikasa Vara Mada tamin’ny 13 septambra 2025.

Manoloana izany zava-misy sy fanehoan-kevi-bahoaka izany anefa, araky ny vaovao nivoaka tamin’ny 21 aprily 2026 (1) dia nifanaraka mikasika ny tetikasa Vara Mada ny Praiminisitra Malagasy sy ny Sekreteram-panjakana lefitra Amerikana nandritry ny fihaonany tany Washington. Niresaka ihany koa izy ireo momba ny fiaraha-miasa mivelatra kokoa amin’ny ho avy mba hiarovana ny tarajam-pamatsiana mineraly stratejika toy ny terres rares ho an’ny firenena Amerikana, sady hampidirana an’i Madagasikara ao anatin’ny rojom-pihariana (chaînes de valeur) eran-tany momba ny fiarovana sy ny teknolojia (2).

Izany vaovao izany dia manamarina ny siosion-dresaka milaza fa efa manaiky ny fanatanterahana ny tetikasa Vara Mada ny PRRM, satria tsy sahy manohitra ny ezaky ny fitondrana Amerikana hampihatra fanjanahana ara-ekonomika na eto Madagasikara na any amin’ny firenena hafa izay manana ireo mineraly stratejika izay ilainy toy ny Ukraine sy ny Repoblika Demokratikan’ny Congo.

Na dia nilaza aza ny Praiminisitra tamin’ny fihaonany tamin’ireo tanora ao amin’ny GEN Z sy ny mpanao gazety fa tsy nanao izany fifanarahana izany velively, dia tsy nisalasala nanamafy io fifanarahana tamin’ny mpitondra Malagasy io indray ny Talen’ny Vara Mada tamin’ny 26 Aprily 2026, ary nilaza fa ny fankatoavana ny fifanaraham-piaraha-miasa avy amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) sisa no andrasana (3). Tsy nanohitra izany filazana avy amin’ny Vara Mada izany ny mpitondra Malagasy, izay midika fa nisafidy tsy misy fihambahambana izy hanao sorona ny tombotsoa sy ny fiandrianan’ny vahoaka Malagasy amin’ny harem-pirenena voajanahary ao amin’ireo toerana fitrandrahana, sady mampiseho ihany koa ny finiavany hanitsakitsaka ny fitakian’ireo vahoaka voakasika ny fanajana ireo zo fototra izay ananany amin’ny tanin-drazany, ny foto-pivelomany, ny fahasalamany, ary ny tontolo sy ny rohivoahary iainany.

Ataon’ny mpitondra Malagasy toy ny tsy misy ihany koa ireo ireo fampitandremana natao taminy efa nanomboka tamin’ny volana oktobra 2025 mikasika ny radioactivité sy ny voka-dratsy amin’ny tontolo iainana izay hateraky ny tetikasa fitrandrahana fasimainty sy monazite. Izany dia efa voaporofon’ny loza nihatra tamin’ireo vahoaka ao Taolagnaro voakasiky ny tetikasa Rio Tinto-QMM, izay mitrandraka fasimainty sy monazite koa. Tsara ny mampahatsiahy azy fa i Rio Tinto dia miatrika fitoriana manoloana ny Tribonaly any Londres (Angletera) nohon’ny fandotoany ny rano fampiasa sy fisotron’ireo fokonolona manodidina ny fitrandrahan’i RioTinto-QMM amin’ny firaka (plomb) sy Uranium (4), izay namono ny trondro sady mitera-doza mahafaty ho an’ny fahasalamam-bahoaka.

Izany fahasarotan’ny ambana avy amin’ny radioactivité izany mihitsy anefa no antony lehibe amin’ny fanoheran’ireo fokonolona voakasiky ny tetikasa Vara Mada hatramin’ny voalohany. Efa hatramin’ny taona 2014 no efa nisy fikarohana siantifika maromaro (5) nanamarina fa rehefa avoaka avy any ambanin’ny tany ny fasimainty ao Ranobe dia miteraka radioactivité avy amin’ny Uranium sy Thorium 232 mahatratra 10600-10700 Bequerel/kg, izay mihoatra lavitra ny fenitra 10000 Bequerel/kg izay zakan’ny vatan’olombelona napetraky ny Agence Internationale de l’Energie.

Ambonin’izany, dia manahiran-tsaina tokoa ny fahitana ny firaisana tsikombakomban’ny mpitondra politika Malagasy amin’ireo orinasa mpitrandraka avy amin’ny firenena samihafa toy ny Vara Mada sy Rio Tinto, izay tetikasa miteraka voka-dratsy maro izay efa fantatra tsara eo amin’ny ireo fokonolona voakasika (6). Ity firaisana tsikombakomba ity dia tena manafintohina tokoa satria manitsakitsaka ny zon’ny mponina amin’ny fandavana na fanekena malalaka ny tetikasa toy itony, ary indrindra loza manambana ny antom-pivelomany sy ny zony amin’ny tany, ny rano ary ny tontolo iainana madio, mahasalama sady maharitra.

Araka izany, dia tsy nambaran’ny Masoivoho Amerikana izay miezaka hampandeha ny tetikasa fitrandrahana Vara Mada tamin’ny mpitondra Malagasy fa na dia any Etazonia aza i Energy Fuels Inc. dia miatrika fanoherana mafy avy amin’ny foko Ute Mountain Ute, izay mipetraka eo akaikin’ny orinasa famokarany Uranium ao White Mesa (Utah), nohon’ny vokadratsy ateraky ny orinasa amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’izy ireo. Manohitra mafy toy izany koa ny foko Havasupai sy Navajo voakasiky ny fitrandrahan’ny Energy Fuel Inc. ao akaiky ny Grand Canyon sy La Sal ao Utah (7). Na izany aza no zava-misy any Utah, dia tsy mihambahamba ary vonona tanteraka ny orinasa Energy Fuels Inc. handrava ny antom-pivelomana sy ny tontolo iainan’ireo fokonolona voakasiky ny tetikasa fitrandrahany ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II.

Manoloana ny fananganana Vaomiera hanao fanadihadiana ny tetikasa Vara Mada eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, sy ny fikasana hanolotra ny fifanarahana (protocole d’accord) mikasika ny fanatanterahana io tetikasa io mba ho ankatoavin’ny Solombavambahoaka, ny fokonolona voakasika sy ireo fikambanana manao sonia ity taratasy misokatra ity dia manamarika fa ny fankatoavana ny fifanarahana amin’ny tetikasan’i Energy Fuels Inc hitrandraka fasimainty sy monazite eto Madagasikara hamokarany terres rares, dia fankatoavana tsy misy fihambahambana ny fanaovana ho sorona ireo toerana fitrandrahana sy ireo mponina voakasika. 

Izany no atao dia mba hanamafisana ny famatsiana angovo sy mineraly critiques an’ny fanjakana amerikana, izay nanapa-kevitra fa hiaro ny mponina sy ny tontolo iainana ao aminy mba tsy ho tratry ny vokadratsin’ny famokarana terres rares, ka hanondrana izany loza manambana rehetra izany any amin’ny fokonolona sy ny rohivoahary ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II.

Noho izany dia manao antso avo aminareo Solombavambahoaka izahay etoana, mba hihaino ny feon’ny fokonolona izay tsy nitsahatra nitaky an-taona maro izay ny fanajanonana tsy misy hatak’andro ity tetikasa Vara Mada ity, ary handinika ny fanampiana azy amin’ny fomba sahaza ho fampandrosoana ny seha-pihariana ivelomany amin’ny fambolena sy fiompiana ary jono nentim-paharazana.

Tianay koa ny mampahatsiahy ny PRRM sy ireo manam-pahefana mahefa rehetra, fa amin’ny olom-pirenena izay nifidy sy nametraka azy eo amin’ny fitondrana no ananany tamberin’andraikitra voalohany indrindra, sady izy ireo ihany koa no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanajana sy fiarovana ary fanatanterahana ny zon’ireo olom-pirenena ireo hisafidy ankalalahana tanteraka izay tetikasa fampandrosoana sahaza azy.

Farany, izahay izay manao sonia ity Taratasy misokatra ity dia manamafy ny firaisanay hina tanteraka amin’ny Fokonolona voakasiky ny tetikasa Vara Mada, izay tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fitrandrahana fasimainty sy monazite ao amin’ny fokontany misy azy, ary vonona hitaky hatrany ny zony handà ny fanaovana an’io tetikasa io izay handrava ny fivelomany sy ny tontolo iainan’ireo taranaka any aoriana.

Natao androany faha-07 Mey 2026

——————————————————————————————–


(1) https://2424.mg/mines-engagement-commun-de-madagascar-et-des-etats-unis-a-promouvoir-les-opportunites-autour-du-projet-vara-mada-dapres-le-departement-detat-americain/.
(2) Ibid.
(3) Vaovaon’ny RFI tamin’ny 26 aprily 2026.                                                                                                                                                                (4) https://theintercept.com/2024/04/03/madagascar rio tinto mine water contamination/                                                                        (5) Par des chercheurs de l’Université de Toliara et d’ Antananarivo en 2014, et par une équipe de l’Institut National des Sciences et Techniques  Nucléaires (INSTN) de Madagascar.                                                                                                                                                        (6) Voir le rapport « Titanium Benefit sharing in Kwale County », sur le partage inéquitable des bénéfices miniers entre Base Resources et les communautés impactées par son projet minier au Kenya: https://www.hakijamii.com/?p=1889 Sur Rio Tinto, voir notamment:https://www.theguardian.com/australia-news/2020/may/26/rio-tinto-blasts-46000-year-old-aboriginal-site-to-expand-iron-ore-mine                                                                                                                                                                                                      (7) The Times-Independent, “Ute Mountain Utes march against White Mesa as energy Fuels prepares to reopen mines,”October 10, 2023.                                                                                                                                                                  https://www.moabtimes.com/articles/ute-mountain-utes-march-against-white-mesa-as-energy-fuels-prepares-to-reopen-mines/

Les signataires:

    • Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI) ; craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoimada.com
    • Collectif pour la Défense des Terres Malgaches – Collectif TANY ; patrimoine.malagasy@gmail.com ; https://terresmalgaches.info/
    • Concret-S / Human Rights ; https://concret-s-humanrights.com
    • Femmes en Action Rurale de Madagascar (FARM) ; farmmadagascar@gmail.com; https://web.facebook.com/farmadagascar
    • Réseau des Jeunes pour le Développement Durable (RJDD) ; rjdd.madagascar@gmail.com ; https://web.facebook.com/RJDDMadagascar
    • Fikambanan’ny Masikoro Arivolay Antananarivo (FI.MA)
    • Fikambanan’ny Fiherena Manombo Mangoko (FI.FI.MA.MA).
    • Komity Fanorenana Ifotony an’i Madagasikara (KFIM)

FANAMBARANA

TSY AZO EKENA NY FANAOVANA SORONA NY ZON’IREO VAHOAKA MANOHITRA NY TETIKASA VARA MADA SY NY HARENA VOAJANAHARY NENTIM-PAHARAZANA ARY NY FIANDRIANAM-PIRENENA MBA HAMALIANA NY FILAN’NY MPITONDRA AMERIKANA

Sed ut perspiciatis unde omnis iste natus error sit voluptatem accusantium doloremque laudantium, totam rem aperiam, eaque ipsa quae ab illo inventore veritatis et quasi architecto beatae vitae dicta sunt explicabo. Nemo enim ipsam voluptatem quia voluptas sit aspernatur aut odit aut fugit, sed quia consequuntur magni dolores eos qui ratione voluptatem sequi nesciunt. Neque porro quisquam est, qui dolorem ipsum quia dolor sit amet, consectetur, adipisci velit, sed quia non numquam eius modi tempora incidunt ut labore et dolore magnam aliquam quaerat voluptatem. Ut enim ad minima veniam,

Sed ut perspiciatis unde omnis iste natus error sit voluptatem accusantium doloremque laudantium, totam rem aperiam, eaque ipsa quae ab illo inventore veritatis et quasi architecto beatae vitae dicta sunt explicabo. Nemo enim ipsam voluptatem quia voluptas sit aspernatur aut odit aut fugit, sed quia consequuntur magni dolores eos qui ratione voluptatem sequi nesciunt. Neque porro quisquam est, qui dolorem ipsum quia dolor sit amet, consectetur, adipisci velit, sed quia non numquam eius modi tempora incidunt ut labore et dolore magnam aliquam quaerat voluptatem. Ut enim ad minima veniam,

Hatramin’ny nandraisan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’ny Madagasikara (PRRM) ny fitondrana dia tsy mitsahatra maneho ny fandavany marin-drano ny Vara Mada ireo vahoaka voakasiky ny tetikasa, izay tonga nihaona tamin’ny PRRM teny an-dapan’Iavoloha mihitsy tamin’ny 15 Desambra 2025 namerina ny fitakiany ny fanajanonana io tetikasa io. Vao hita koa ireo vahoaka nilanja sora-baventy maro mitaky an’izany tamin’ny dian’ny PRRM tany Toliara tamin’ny 17 aprily 2026 teo. Ary tsy vitan’izany ihany, fa tamin’ny 18 aprily 2026 ny PRRM dia namangy fahoriana ny fianakavian’Itompokolahy Benefice izay maty voatifitry ny zandary teo am-panoherana ny tetikasa Vara Mada tamin’ny 13 septambra 2025.

Manoloana izany zava-misy sy fanehoan-kevi-bahoaka izany anefa, araky ny vaovao nivoaka androany (1) dia nifanaraka mikasika ny tetikasa Vara Mada ny Praiminisitra Malagasy sy ny Sekreteram-panjakana lefitra Amerikana nandritry ny fihaonany tany Washington. Niresaka ihany koa izy ireo momba ny fiaraha-miasa mivelatra kokoa amin’ny ho avy mba hiarovana ny tarajam-pamatsiana mineraly stratejika toy ny terres rares ho an’ny firenena Amerikana, sady hampidirana an’i Madagasikara ao anatin’ny rojom-pihariana (chaînes de valeur) erantany momba ny fiarovana sy ny teknolojia (2).

Izany vaovao izany dia manamarina ny siosion-dresaka milaza fa efa manaiky ny fanatanterahana ny tetikasa Vara Mada ny PRRM, satria tsy sahy manohitra ny ezaky ny fitondrana Amerikana hampihatra fanjanahana araekonomika na eto Madagasikara na any amin’ny firenena hafa izay manana ireo mineraly stratejika izay ilainy toy ny Ukraine sy ny Repoblika Demokratikan’ny Congo.

Raha toa ka marina tokoa fa nanao izany fanekena izany ny PRRM, dia mampiseho ny finiavany hanitsakitsaka ny fitakian’ireo vahoaka voakasika ny fanajana ireo zo fototra izay ananany amin’ny tanin-drazany, ny fotopivelomany, ny fahasalamany, ary ny tontolo sy ny rohivoahary iainany. Midika koa izany fa nisafidy tsy misy fihambahambana izy hanao sorona ny tombotsoa sy ny fiandrianan’ny vahoaka Malagasy amin’ny harem-pirenena voajanahary ao amin’ireo toerana fitrandrahana.

Izany rehetra izany no atao dia mba hanamafisana ny famatsiana angovo sy mineraly stratejika an’ny fanjakana Amerikana, izay nanapa-kevitra fa hiaro ny mponina sy ny tontolo iainana ao aminy mba tsy ho tratry ny vokadratsin’ny famokarana terres rares, ka hanondrana izany loza manambana rehetra izany any amin’ny fokonolona sy ny rohivoahary ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II.

Tianay koa ny mampahatsiahy ny PRRM sy ireo manam-pahefana mahefa rehetra, fa amin’ny olom-pirenena izay nametraka azy eo amin’ny fitondrana no ananany tamberin’andraikitra voalohany indrindra, sady izy ireo ihany koa no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanajana sy fiarovana ary fanatanterahana ny zon’ireo olom-pirenena ireo hisafidy ankalalahana tanteraka izay tetikasa fampandrosoana sahaza azy.

Farany, izahay izay manao sonia ity Fanambarana ity dia manamafy ny firaisanay hina tanteraka amin’ny Fokonolona voakasiky ny tetikasa Vara Mada, izay tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fitrandrahana fasimainty sy monazite ao amin’ny fokontany misy azy, ary vonona hitaky hatrany ny zony handà ny fanaovana an’io tetikasa io izay handrava ny fivelomany sy ny tontolo iainan’ireo taranaka any aoriana.

Natao androany faha-21 Aprily 2026

————————————–

(1) https://2424.mg/mines-engagement-commun-de-madagascar-et-des-etats-unis-a-promouvoir-lesopportunites-
autour-du-projet-vara-mada-dapres-le-departement-detat-americain/
(2) Ibid.

Les signataires:

    • Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI) ;
      craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoimada.com
    • Collectif pour la Défense des Terres Malgaches – Collectif TANY ; patrimoine.malagasy@gmail.com ;
      https://terresmalgaches.info/
    • Concret-S / Human Rights ; https://concret-s-humanrights.com
    • Femmes en Action Rurale de Madagascar (FARM) ; farmmadagascar@gmail.com;
      https://web.facebook.com/farmadagascar
    • Réseau des Jeunes pour le Développement Durable (RJDD) ; rjdd.madagascar@gmail.com ;
      https://web.facebook.com/RJDDMadagascar
    • Fikambanan’ny Masikoro Arivolay Antananarivo (FI.MA)
    • Fikambanan’ny Fiherena Manombo Mangoko (FI.FI.MA.MA).
    • Komity Fanorenana Ifotony an’i Madagasikara (KFIM)

TOUTES LES FEMMES NE MENENT PAS LE MEME COMBAT

TOUTES LES FEMMES NE MENENT PAS LE MEME COMBAT

Être une femme à Madagascar signifie souvent faire face à de nombreux obstacles : la précarité économique, les discriminations, les violences, la difficulté d’accès à certaines opportunités. Dans le système patriarcal dominant, chaque femme fait face à des formes d’inégalités, mais celles-ci ne sont pas vécues par toutes de la même manière.

Au-delà des inégalités basées sur le genre, il existe de nombreux facteurs de marginalisation qui entrent en jeu. Ainsi, une femme subit plus d’une forme d’oppression si, par exemple,

    • elle vit en situation de pauvreté,
    • elle vit en milieu rural,
    • elle est handicapée,
    • ou elle fait partie de la communauté LGBTQ+.

Toutes ces formes de marginalisation créent des réalités multiples, des inégalités qui se croisent et qui se renforcent : elles sont intersectionnelles.

A Madagascar, aujourd’hui plus que jamais, nous assistons à cette intersectionnalité. De nombreuses femmes Malagasy sont en situation de dépendance financière, elles font face à des obstacles liés à l’accès à la terre et aux ressources. Les violences et discriminations dont elles sont victimes sont encore aujourd’hui banalisées. A cela se rajoutent les effets des crises climatiques et écologiques sur leurs moyens de subsistance. De ce fait, il est impossible de parler des droits des femmes à Madagascar sans reconnaître que notre contexte économique, social et environnemental multiplie les inégalités subies par les femmes Malagasy. Ainsi, la lutte pour les droits des femmes ne peut être séparée de la lutte pour la justice sociale, climatique et économique.

Le 8 Mars est la journée internationale des droits des femmes, mais il convient de rappeler qu’il ne s’agit pas seulement d’un jour de célébration. Aujourd’hui, l’égalité n’est pas encore une réalité. Cette journée symbolise une lutte qui continue, une lutte qui se doit de reconnaître la diversité des inégalités subies par les femmes, et qui se doit de prendre en compte les identités les plus marginalisées et invisibilisées. Nous ne parviendrons à une égalité véritable que si chaque voix est entendue et chaque réalité est incluse.

Notre lutte doit être, avant tout, solidaire, car l’égalité ne se divise pas, elle se construit ensemble.

LETTRE OUVERTE À MONSIEUR LE PRÉSIDENT DE LA REFONDATION DE MADAGASCAR :

LA REDEVABILITE ENVERS LES CITOYENS MALAGASY, LE RESPECT DE LEURS DROITS SOUVERAINS SUR LES RESSOURCES NATURELLES LOCALES, ET LA SAUVEGARDE DE LA SOUVERAINETE NATIONALE DOIVENT ÊTRE AU COEUR DE LA REFONDATION DE MADAGASCAR.

A l’aube de cette nouvelle année 2026 qui devrait inaugurer l’ère de la refondation de Madagascar, les organisations de la société civile et citoyens Malagasy signataires de cette Lettre Ouverte ont l’opportunité d’analyser avec le recul nécessaire les évènements et les faits qui ont marqué la vie nationale depuis le changement de gouvernement au mois d’octobre 2025. Nos observations concernent les évènements et les points de tension qui ont été occultés par la focalisation de l’attention générale sur les réponses aux revendications relatives aux besoins immédiats des diverses entités qui s’auto-proclament participantes actives à la lutte pour la refondation nationale.

Une vision claire et partagée de notre propre modèle de développement endogène.

La Concertation Nationale en cours de préparation doit avoir pour but d’articuler une vision claire et exhaustive de notre propre modèle de développement qui aille au-delà des mesures à court terme qui ont été prises afin de répondre aux demandes exprimées par les diverses parties prenantes au soulèvement populaire. Une telle vision doit prioriser la réalisation des droits humains fondamentaux – i.e. les droits au travail décent, à l’alimentation, à l’eau, à l’habitat, à la santé, à l’éducation, à un niveau de vie décent – de tous les Malagasy sans distinction, et permettre d’assurer la cohésion sociale ainsi que la souveraineté nationale, tout en évitant d’accroître la dépendance envers l’extérieur.

La réalisation d’un tel modèle de développement endogène nécessite en premier lieu la sauvegarde des droits souverains des communautés sur leurs ressources naturelles locales, en particulier sur la terre. Comme vous le savez, à Madagascar, la sacralité de la terre est un principe profondément ancré dans notre culture et dans notre rapport à la nature. A cet égard, nous apprécions les efforts qui ont été faits en vue de la restitution de leurs terres aux populations locales, cependant, nous estimons que le cas des Réserves Foncières Touristiques (RFT) en général, et celui de Sakatia en particulier, est problématique.

En effet, la mise en place de la RFT d’Ampasindava–Sakatia n’a jamais été acceptée par les habitants et aucune concertation n’a jamais eu lieu entre la population locale et les autorités qui l’ont instaurée. Néanmoins, les autorités ont réaffirmé à plusieurs reprises leur volonté de maintenir la RFT afin d’attirer plus de touristes, et de lancer un appel d’offres pour attirer des investisseurs en vue de la construction d’un hôtel 5 étoiles. Cette démarche qui est tout à fait similaire à celle de la société GREEN MADA LAND soutenue par l’ex-gouvernement et rejetée par la communauté locale, aboutira insidieusement au partage des terres d’Ampasindava–Sakatia avec de riches investisseurs malgaches ou étrangers au détriment de la communauté locale, en dépit du discours officiel prônant le dialogue, la participation de la communauté au développement local, et la priorité donnée à ses intérêts et à la valorisation de ses compétences.

Nous sommes convaincus que la réforme foncière entreprise dans le cadre du processus de refondation en cours devrait être l’occasion de concevoir un nouveau concept de développement touristique mieux adapté aux réalités socioéconomiques et culturelles et aux besoins actuels de la population locale. Dans cette perspective, nous soutenons la demande des membres de la communauté locale regroupés au sein de l’Association Anjava Sakatia qui « en appellent à la conscience des autorités centrales et locales afin qu’elles renoncent à leurs projets actuels et s’engagent aux côtés de la population pour promouvoir un tourisme partant véritablement des réalités locales, porté directement par les communautés de manière indépendante, sans une expulsion déguisée de leurs terres.» (1)

En ce qui concerne notre propre modèle alternatif de développement, nous partageons leur vision selon laquelle « le développement à privilégier doit être un développement porté par chaque localité, capable de restaurer et de valoriser les valeurs fondamentales malgaches : la solidarité, la fraternité et l’attachement profond et viscéral à la terre ancestrale, valeurs que l’État a le devoir de promouvoir et de protéger.» (2)

Madagascar n’est pas à vendre et la souveraineté nationale n’est pas négociable.

Dès la mise en place de la nouvelle équipe dirigeante, les autorités malgaches ont déclaré vouloir travailler « avec tout le monde ». Cette position a intensifié les offensives diplomatiques des grandes puissances mondiales, qui convoitaient déjà les richesses de Madagascar et en ont fait leur champ de bataille géopolitique. En conséquence, Madagascar est devenu l’épicentre d’une puissante dynamique liée au “colonialisme climatique ou vert”, i.e. aux stratégies géopolitiques et extractivistes des grandes puissances mondiales pour l’accès et le contrôle des « minerais critiques » pour leur transition énergétique et des sites géostratégiques, parallèlement aux zones en eaux profondes, à l’exploitation des hydrocarbures ou d’autres ressources marines dans la région de l’Océan Indien Occidental.

Nous sommes particulièrement alarmés par les tractations entre le Président de la Refondation de Madagascar et les émissaires du Président Donald Trump, sachant que dans le but d’obtenir le renouvellement de l’accord commercial préférentiel avec les Etats Unis dans le cadre de l’AGOA (Africa Growth and Opportunity Act), les anciens dirigeants Malagasy ont mis les minerais critiques de Madagascar sur la table des négociations lors de leur déplacement à Washington au mois de mars 2025. Selon eux, grâce aux réserves en minerais critiques dont il dispose, Madagascar pourrait jouer un rôle clé dans l’approvisionnement des États-Unis en terres rares, notamment grâce au projet Base Toliara.

De plus, en juin 2025, Madagascar a été invité par les États-Unis et l’Union européenne à adhérer au Mineral Security Partnership Forum (MSPF), une initiative lancée par les États-Unis en 2022, visant à sécuriser les chaînes d’approvisionnement des minerais essentiels aux technologies de la transition énergétique dans les pays industrialisés. Le Conseil des Ministres avait alors accepté cette invitation à adhérer au MSPF en tant que pays producteur de minerais critiques.

Cependant, ces anciens dirigeants Malagasy savaient très bien que les communautés concernées par le projet Base Toliara et par le projet d’exploitation des terres rares dans la péninsule d’Ampasindava s’opposent depuis plus d’une dizaine d’années à leur réalisation, en raison de leur toxicité et de leurs impacts potentiellement destructeurs sur leurs droits fondamentaux et leurs moyens d’existence. Lors de leur rencontre du 16 décembre 2025 avec le Président Michaël Randrianirina, leurs représentants ont encore réaffirmé leur ferme intention de ne pas laisser leurs terres ancestrales et leurs milieux de vie devenir des zones de sacrifice pour satisfaire les besoins militaro-industriels des Etats Unis d’Amérique et ceux de la transition énergétique Européenne en terres rares.

Compte tenu de l’arrivée imminente des émissaires français chargés du suivi des accords conclus avec le Président Emmanuel Macron lors de sa visite d’Etat en août 2025 (3), durant laquelle il avait insisté sur l’intérêt de la France pour les terres rares, nous alertons une fois de plus les autorités compétentes au sujet des impacts prévisibles de l’exploitation des terres rares qui seraient catastrophiques pour les écosystèmes et les moyens d’existence des communautés riveraines, tout en perpétuant la spoliation néocoloniale des ressources minières stratégiques de Madagascar, déguisée sous les habits verts de la « transition énergétique propre » dans les pays industrialisés.

L’urgence d’une régulation effective des investissements.

La promotion des investissements directs étrangers qui fait partie des priorités énoncées par le gouvernement actuel pour Madagascar, ne doit pas impliquer la perte de la dignité et la servilité face aux investisseurs et aux tenants du pouvoir économique et politique mondial. Le courage et la capacité à défendre l’intérêt supérieur de la nation sont d’une importance capitale dans le contexte géopolitique actuel dominé par les visées impérialistes du Président des Etats Unis d’Amérique et sa compétition avec la Chine, la Russie et l’Union Européenne.

Dans cette perspective, un cadre de régulation effective des investissements doit être mis en place d’urgence, pour que les responsables étatiques soient tenus de remplir les obligations qui leur incombent d’assurer la primauté des intérêts nationaux, de protéger les communautés concernées contre toute violation de leurs droits, et de veiller à ce qu’elles disposent de voies de recours et de compensations adéquates. Cette mise en place visera également à améliorer la mise en œuvre et la transparence des processus relatifs aux études d’impact environnemental et social, dont tous les documents doivent être accessibles à tous, et en premier lieu aux membres des communautés concernées qui doivent aussi pouvoir exercer leur droit au consentement, libre informé et préalable aux projets d’investissement sur leurs territoires.

Nous sommes d’autant plus inquiets au vu des récentes négociations menées par Votre Excellence pendant son séjour aux Emirats Arabes Unis, lesquelles ont mené à la signature accélérée de plusieurs accords dont les citoyens Malagasy ignorent la plus grande partie des tenants et des aboutissants. L’importance des enjeux exige une plus grande prudence dans les négociations avec les investisseurs, mais aussi une transparence totale vis-à-vis des citoyens Malagasy et de leurs représentants élus. En ce qui concerne les communautés directement concernées par les projets d’investissements, il importe d’assurer impérativement la participation de leurs représentants dans la prise de chaque décision portant sur les contrats d’investissement, y compris sur l’attribution des parcelles de terrain à des fins économiques et/ou d’investissements étrangers.

Une transition énergétique juste et démocratique.

La question des investissements dans le secteur de l’énergie est un enjeu de société et de développement qui doit faire l’objet d’un débat inclusif, éclairé et transparent avec une implication permanente de l’ensemble de la population, ainsi que l’information et le  consentement préalable des communautés concernées. La politique énergétique basée sur les énergies renouvelables qui a été décidée par l’Etat doit viser en premier lieu à éradiquer la pauvreté énergétique qui affecte la grande majorité des ménages Malagasy, et à assurer une transition juste vers des systèmes d’énergie renouvelable axés sur les communautés et distribués selon les besoins spécifiques des différentes localités.

La création des systèmes d’énergie renouvelable doit ainsi encourager la participation citoyenne et les décisions de démocratisation de l’énergie, afin de garantir l’accès égal de tous à des sources d’énergie à un coût abordable, moins polluantes et plus saines, et leur appropriation par tous les Malagasy, en particulier par les femmes qui sont responsables de l’approvisionnement en énergie domestique. Des stratégies et des mesures tournées vers une prise de décisions participative et décentralisée devront être mises en place pour permettre au plus grand nombre de bénéficier directement de la chaîne de valeur des nouveaux systèmes énergétiques.

Ces nouveaux systèmes énergétiques doivent également créer les conditions d’un développement économique local florissant, en définissant l’approvisionnement énergétique en fonction du bien commun et en encourageant véritablement la démocratisation de l’énergie. Ils ne doivent pas aggraver la crise climatique, mais améliorer la résilience aux catastrophes naturelles et aux conséquences du réchauffement planétaire, et favoriser une industrialisation nationale autonome et respectueuse du bien-être social, des écosystèmes et de la biodiversité unique de Madagascar.

Nous vous remercions de l’intérêt que vous voudriez bien apporter à l’ensemble de nos remarques et propositions, et d’en tenir compte dans la formulation des politiques générales et sectorielles dans le cadre de la Concertation Nationale.

Nous continuerons d’observer de près les développements autour des questions que nous avons soulevées, en concertation avec nos partenaires au sein de la société civile et des communautés locales.

Dans l’attente d’une suite favorable à nos propositions, nous vous prions d’agréer, Votre Excellence, l’assurance de notre très haute considération.

Antananarivo le 21 janvier 2026


 (1) Déclaration de l’association Anjava Sakatia signée par les membres du Bureau de l’association le 12 janvier 2026.
Traduction française par le Collectif TANY le 16 janvier 2026.
 (2) Ditto.                                                                                                                                                                                                                                                       (3) Africa Intelligence du 19 janvier 2026.

Les signataires:

    • Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI)
      craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoimada.com
    • Collectif pour la Défense des Terres Malgaches – TANY
    • Concret-S / Human Rights
    • Femme en Action Rurale de Madagascar (FARM)
    • Femwise Afrique
    • Mentor ECCE. Education, Civisme, Citoyenneté et Environnement
    • Mouvement Jeunesse et Citoyenneté
    • Ny Tontoloko
    • Observatoire de la Jeunesse
    • Observatoire National des Droits Humains – ONDH
    • Réseau Malgache du Handicap
    • Réseau des Jeunes pour le Développement Durable (RJDD)
    • Réseau des jeunes – NOSYW
    • Rindra Ifandrimbonana ho Vanona – Madagasikara (RIVA)

Les châtiments corporels violent les obligations de la République de Madagascar en vertu du Pacte International relatif aux Droits Civils et Politiques ainsi que de la Convention contre la Torture.

Les châtiments corporels violent les obligations de la République de Madagascar en vertu du Pacte International relatif aux Droits Civils et Politiques ainsi que de la Convention contre la Torture.

 

CONCRET-S est profondément préoccupé par la récente adoption par le parlement de la loi prévoyant des peines de castration chimique ou chirurgicale pour les auteurs de viol ou de tentative de viol.

CONCRET-S rappelle que ces châtiments corporels violent les droits humains internationalement reconnus de ne pas subir de traitements ou de châtiments cruels, inhumains et dégradants et de ne pas être soumis à la violence physique. Les châtiments corporels sont également contraires au respect de la dignité humaine, un principe directeur profondément ancré dans le droit international des droits humains, consacré par la Déclaration universelle des droits de l’homme.

Madagascar est un État partie au Pacte international relatif aux droits civils et politiques, dont l’article 7 interdit la torture et les autres peines ou traitements cruels, inhumains ou dégradants. Comme l’a clairement indiqué le Comité des droits de l’homme des Nations unies, qui supervise la mise en œuvre du pacte, l’interdiction de la torture et des autres peines ou traitements cruels, inhumains ou dégradants englobe les formes de châtiments corporels, et fait d’ailleurs partie des droits non-dérogeables.

Les châtiments corporels violent également les obligations de la République de Madagascar en vertu de la Convention contre la torture. L’article 16 de la convention oblige le gouvernement Malagasy à s’engager à prévenir les actes constituant de peines ou traitements cruels, inhumains ou dégradants. En effet, le Comité contre la torture, l’organe chargé de surveiller le respect de la Convention contre la torture par les États, a déclaré que « l’application continue » des châtiments corporels « pourrait constituer en soi une violation de la Convention ».

Les autorités Malagasy devraient immédiatement retirer cette nouvelle législation imposant des châtiments cruels et inhumains, et mettre les lois en conformité avec les obligations du Madagascar en matière de droits humains.

Nous exhortons également la Haute Cour Constitutionnelle à déclarer cette loi « inconstitutionnelle » car elle enfreint les traités et conventions internationaux des droits de l’homme dûment ratifiés par l’Etat Malagasy. La Constitution elle-même donne la primauté à ces traités et conventions internationaux aux lois et règlementations nationales en son article 137.

 

Antananarivo le 06 février 2024.